CCC 2804

Mitondra antsika mankany amin’ny Ray sy ho Azy ny fitambaran’ny fangatahana voalohany : ny Anaranao, ny Fanjakanao, ny Sitraponao ! Izany no toetra manokana ny fitiavana izay ieritreretana an’Ilay tiantsika aloha. Tsy ny “tenantsika” no lazaintsika amin’ny tsirairay amin’ireo fangatahana telo ireo, fa ny “faniriana miredareda”, ny “tebiteby” rahateo, ao amin’ny Zanaka malala ho Voninahitry ny Rainy, izay mambabo antsika . jer. Lk 22,15; 12,50. : “Hohamasinina anie (…). Ho tonga anie (…). Ho tanteraka anie (…)” : ireo fitalahoana telo ireo dia efa nekena tamin’ny Soron’i Kristy Mpamonjy, nefa ireo, hatramin’izao, ao anatin’ny fanantenana, dia atodika mankany amin’ny fahatanterahany farany, noho Andriamanitra tsy mbola zavatra rehetra amin’izy rehetra . jer. 1 Kôr 15,28..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865