CCC 2805
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny fitambaran’ny fangatahana faharoa dia manaraka ny fizotran’ny vavaka epikilezy sasantsasany amin’ny Eokaristia : izy no fanatitry ny fanantenantsika sy manintona ny mason’ny Rain’ny famindram-po. Misondrotra avy ao amintsika izy sady mahakasika antsika ankehitriny, eto amin’ity tany ity: “Omeo anay (…) avelao ny fahotanay (…) aza avelanao (…) izahay, fa manafaha anay (…).” Ny fangatahana fahefatra sy fahadimy dia mahakasika ny fiainantsika, araka ny maha-izy azy, na hamelona azy, na hanasitrana azy amin’ny fahotana ; ny anankiroa farany dia mahakasika ny tolona ataontsika ho amin’ny fandresen’ny Fiainana, izay ilay tolona atao rahefa mivavaka ihany koa.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865