CCC 2806

Amin’ny fangatahana telo voalohany no amafisina amin’ny finoana isika, feno fanantenana, mirehi-pitiavana. Amin’ny maha-zavaboary sy mbola maha-mpanota antsika, tsy maintsy mangataka ho antsika isika, io “isika” arakaraka ny tontolo sy ny tantara io, no atolotsika amin’ny fitiavana tsy misy fetra itiavana an’Andriamanitsika. Satria amin’ny anaran’i Kristy Zanany sy ny Fanjakan’ny Fanahiny Masina no anatanterahan’ny Raintsika ny fandaharam-pamonjeny, ho antsika sy ho an’izao tontolo rehetra izao.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865