CCC 2807
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny teny hoe “manamasina” dia ilaina ho fantatra eto, voalohany indrindra tsy amin’ny heviny hiharana (Andriamanitra irery no manamasina, mahamasina) fa indrindra amin’ny heviny fanomezan-danja : manaiky fa masina, mandray amin’ny fomba masina. Araka izany, amin’ny vavaka fitsaohana, ity fitalahoana ity indraindray dia tafiditra ho vavaka fiderana sy fisaorana . jer. Sal 111,9; Lk 1,49.. Kanefa ity fangatahana ity dia nampianarin’i Jesoa antsika ho firariana : fangatahana, faniriana ary fiandrasana izay ifamatoran’ Andriamanitra sy ny olombelona. Vao ao amin’ny fangatahana voalohany amin’ny Rainay, dia efa tafiditra ao anatin’ny mistery lalin’ny maha-Andriamanitra Azy isika sy ao anatin’ny fitaintainana amin’ny famonjena ny maha-olombelona antsika. Ny mangataka Aminy hoe hohamasinina anie ny Anarany, dia mitarika antsika ao amin’ny “fandaharana feno fitiavana izay novolavolaina mialoha” (Efez 1,9) mba “ho masina sy ho madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany, ao amin'ny fitiavana, isika” (Efez 1,4).
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865