CCC 2809

Ny Fahamasinan’Andriamanitra no foibe saro-takarin’ny saina amin’ny misteriny mandrakizay. Izay nampiharihariana izany tamin’ny fahariana sy ny tantara, no antsoin’ny Soratra Masina hoe : Voninahitra, famirapiratan’ny Fiandrianany . jer. Iz 6,3.. Tamin’ny nanaovany ny olombelona “mitovy endrika Aminy sy mifanahaka Aminy” (Jen 1,26), no nosatrohan’Andriamanitra voninahitra izy . jer Sal 8,6., nefa tamin’ny nanotan’ny olombelona dia voaesotra tao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra . jer. Rôm 3,23.. Koa noho izany, asehon’Andriamanitra ny Fahamasinany amin’ny fanambaràny sy amin’ny fanomezany ny anarany, mba hanavaozana ny olombelona “amin’ny endrik’ilay Mpahary azy” (Kôl 3,10).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865