CCC 2810

Tamin’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy ny fianianana izay nampiarahina tamin’izany . jer. Heb 6,13., ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, saingy tsy nambarany ny anarany. Tamin’i Môizy Izy no nanomboka nanambara ny anarany . jer. Eks 3,14., ary naneho izany teo imason’ny vahoaka manontolo tamin’ny namonjeny azy ireo teo an-tanan’ny Ejipsianina: “Naneho ny voninahiny Izy” (Eks 15,1). Io vahoaka io, nanomboka tamin’ny fanekem-pihavanana teo Sinaia, dia “Azy” ary tsy maintsy ho “firenena masina” (na voatokana, teny iray ihany izany amin’ny teny hebrio . jer. Eks 19,5-6.) satria monina ao aminy ny Anaran’Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865