CCC 2812
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Farany, ao amin’i Jesoa ny anaran’Andriamanitra Masina no nambara sy nomena antsika, tao amin’ny nofo, ho Mpamonjy . jer. Mt 1,21; Lk 1,31. : nambara satria Izy no Izy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny Sorona natolony . jer. Jo 8,28; 17,8; 17,17-19.. Izany no votoatin’ny vavaka maha-mpisorona Azy : “Ray Masina ô! (...) manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo (Jo 17,19). Satria ny Tenan’Izy Ray ihany no “manamasina” ny anarany . jer. Ezek 20,39; 36,20-21., fa i Jesoa kosa no “maneho” amintsika ny anaran’ny Ray . jer. Jo 17,6.. Tamin’ny fiafaran’ny Pakany, nomen’ny Ray Azy àry ny anarana izay mihoatra ny anarana rehetra : i Jesoa dia Tompo ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray . jer. Filip 2,9-11..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865