CCC 2813
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Tamin’ny ranon’ny Batemy isika no “nosasana, nohamasinina, nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 Kôr 6,11). Eo amin’ny fiainantsika manontolo ny Raintsika no miantso antsika ho “amin’ny fahamasinana” (1 Tes 4,7), ary satria “avy Aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa antsika, izay tonga ho fanamasinana antsika” (1 Kôr 1,30), dia izao no voninahiny sy ny fi-ainantsika : mba hohamasinina ao amintsika sy amin’ny alalantsika anie ny anarany. Izany no maika amin’ny fangatahantsika voalohany. Iza no afaka hanamasina an’Andriamanitra, satria ny Tenany ihany no manamasina Azy ? Kanefa noho ity teny ity hoe : “Aoka ho masina ianareo satria masina Aho” (Lev 11,44), miteraka aingam-panahy ao amintsika, dia mangataka isika, nohamasinina tamin’ny Batemy, mba hitozoantsika ao amin’izay nanombohantsika ho misy. Ary isan’andro isika no mangataka izany, satria isan’andro isika no manaiky angolena, ary tokony hanadio ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fanamasinana mitohy tsy an-kijanona (...). Mangata-pitahiana amin’ny alalan’ny vavaka àry isika mba honina ao amintsika izany fahamasinana izany . Md Cyprien, Dom.orat.12..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865