CCC 2814
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Miankina tsy azo sarahina amin’ny fiainantsika sy ny fivavahantsika izany ny tokony hanamasinana ny anarany eo anivon’ireo firenena :
Mangataka amin’Andriamanitra isika hanamasinana ny anarany, satria amin’ny alalan’ny fahamasinana Izy no mamonjy sy manamasina ny zavaboary manontolo (...). Izany dia ny anarana izay manome ny famonjena an’izao tontolo izao very, nefa mangataka isika mba hohamasinina ao anatintsika amin’ny alalan’ny fiainantsika izany anaran’Andriamanitra izany. Satria raha miaina ny tsara isika, dia voahasina ny anaran’Andriamanitra ; fa raha miaina ny ratsy isika dia voatevateva izany, araka ny tenin’ny apôstôly hoe : “Noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentily” (Rôm 2,24) . jer. Ezek 36,20-22.. Mangataha àry isika mba ho mendrika hananan’ny fanahintsika fahamasinana mitovy amin’ny fahamasinan’ny anara-masin’ny Andriamanitsika . Md Pierre Chrysologue, serm. 71.. Rahefa miteny isika hoe : “Hohamasinina anie ny anaranao”, dia mangataka isika mba hohamasinina ao amintsika izy, izay mitambatra ao aminy, nefa koa ao amin’ny hafa izay mbola iandrasan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, mba hampifanaraka antsika amin’ny didy izay manery antsika hivavaka ho an’ny rehetra, na dia ho an’ny fahavalontsika aza. Izany no antony tsy ilazantsika mazava hoe : Hohamasinina anie ny anaranao “ao amintsika”, satria mangataka isika mba ho izany tokoa ny ao amin’ny olona rehetra .Tertullien, or.3..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865