CCC 2815

Io fangatahana io, izay mirakitra ny fangatahana rehetra, dia ekena amin’ny alalan’ny vavak’i Kristy, tahaka ny fangatahana enina hafa izay manaraka. Ny vavaka amin’ny Raintsika no fivavahantsika raha angatahina “amin’ny anaran’i” Jesoa izany . jer. Jo 14,13; 15,16; 16,24.26.. Nangatahin’i Jesoa tamin’ny vavaka maha-mpisorona Azy, ny hoe : “Ray Masina ô, arovy amin’ny anaranao ireo izay nomenao Ahy” (Jo 17,11).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865