CCC 2816

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny voambolana iray hoe Basileia dia mety midika hoe “fanjakana” (anarana ilazana ny fiandrianan’ny mpanjaka), “fanjakana” (anarana ilazana ny toerana anjakan’ny mpanjaka) “fanjakana” (anarana ilazana ny fotoana anjakan’ny mpanjaka sy ny fahefana maha-mpanjaka). Efa talohan’ny fisiantsika ny Fanjakan’Andriamanitra, fa nanatona tao amin’ny Teny tonga nofo izy, notorìna tao amin’ny Evanjely manontolo, ary tonga tao amin’ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany ho velona. Nanomboka tamin’ny Sakafo masina farany no tonga ny fanjakan’Andriamanitra ary eo anivontsika izy ao amin’ny Eokaristia. Ho avy amim-boninahitra ny Fanjakan’Andriamanitra rahefa averin’i Kristy amin’ny Rainy izany :

Azo heverina fa midika ho ny tenan’i Kristy ihany ny fanjakan’ Andriamanitra, Izy izay antsointsika amin’ny firariantsika isan’andro sy irintsika ho haingana ny fahatongavany amin’ny alalan’ny fiandrasantsika. Tena Fananganana antsika ho velona tokoa Izy, satria ao Aminy no ananganana antsika ho velona, ary azo lazaina koa hoe Fanjakan’ Andriamanitra Izy, satria ao Aminy isika no hanjaka . Md Cyprien, Dom. orat. 13..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865