CCC 2817
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Io fangatahana io no ilay “Marana tha”, ilay hiakan’ny Fanahy sy ny Ampakarina : “Avia, ry Jesoa Tompo” :
Na dia io vavaka io aza, tsy hampanao antsika adidy hangataka ny fahatongavan’io Fanjakana io, fa ny tenantsika ihany no manosika hanao io hiaka io, amin’ny hanafainganana antsika handeha hamihina ny fanante-nantsika. Ny fanahin’ny martiry, eo ambany ôtely, no miantso ny Tompo amin’ny feo mahery hoe : “Hatramin’ny rahoviana, ry Tompo, vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany Ianao?” (Apôk 6,10). Satria tsy maintsy mahazo ny rariny izy ireo amin’ny farandro. Tompo ô, afaingano àry ny fahatongavan’ny fanjakanao . Tertullien, or.5. !
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865