CCC 2818
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny vavaky ny Tompo, ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fiverenan’i Kristy no foto-dresaka . jer. Tito 2,13.. Kanefa izany faniriana izany tsy manala ny Fiangonana amin’ny fanirahana azy eto amin’ ity tany ity, raha ny marina aza dia io faniriana io no mampiditra izany ao. Satria nanomboka tamin’ny Panteköty, ny fahatongavan’ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsanganasan’ny Fanahin’ny Tompo, “izay manohy ny tsanganasany eo amin’izao tontolo izao sy manatanteraka ny fanamasinana rehetra” . MR, vavaka fisaorana IV..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865