CCC 2819
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
”Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana, fiadanana sy fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Rôm 14,17). Ny fotoana farany izay misy antsika no fotoanan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Nanomboka hatramin’izay no raikitra ny ady tsy an-kitsitsy eo amin’ny “nofo” sy ny Fanahy . jer. Gal 5,16-25. :
Ny fo madio irery ihany no afaka hilaza amim-pitokiana hoe : “Ho tonga anie ny Fanjakanao”. Ilaina ny eo ambany fampianaran’i Paoly mba hahafahana milaza hoe : “Aoka àry ny fahotana tsy hanjaka intsony ao amin’ny tenantsika mety maty” (Rôm 6,12). Izay miaro tena hadio amin’izay ataony, amin’ny eritreriny ary amin’ny teniny, no afaka hilaza amin’Andriamanitra hoe : “Ho tonga anie ny Fanjakanao !” . Md Cyrille de Jérusalem, catéch. myst. 5,13.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865