CCC 2820

Ireo kristianina, amin’ny fandanjalanjana araka ny Fanahy, dia tsy maintsy manavaka ny fitomboan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fandrosoan’ny kolontsaina mbamin’ny fiaraha-monina izay irotsahan’izy ireo. Tsy fanasarahana tsy akory izany fanavahana izany. Ny fiantsoan’Andriamanitra ny olombelona ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy manafoana fa manamafy ny adidiny hanatanteraka an’asa ny hery sy ny fitaovana noraisina avy amin’ny Mpahary mba hampiasana ny fahamarinana sy ny fiadanana eto amin’ity tany ity . jer. FAA 22; 32; 39; 45; EN 31..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865