CCC 2822

Ny Sitrapon’ny Raintsika dia “ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Miandry amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza” (2 Pi 3,9) . jer. Mt 18,14.. Ny didiny, izay mamintina ny didy hafa rehetra, sy manambara amintsika ny sitrapony manontolo, dia ny hifankatiavantsika, tahaka ny itiavany antsika . jer. Jo 13,34.; 1 Jo 3; 4; Lk 10,25-37..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865