CCC 2823
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
“Nampahafantatra antsika ny misterin’ny Sitrapony Izy, ilay fandaharana be fitiavana novolavolainy mialoha (...) hamerenana ny zavatra rehetra eo ambany Filoha tokana, dia i Kristy izany (...). Ao Aminy no nanokanana antsika, araka ny drafitra voasoritra mialoha an’Ilay izay mitondra ny zavatra rehetra araka ny Sitrapony” (Efez 1,9-11). Mangataka amim-piangaviana isika mba hahatanteraka tsy misy tomika io fandaharana be fitiavana io, ety an-tany tahaka ny efa mahatanteraka izany any an-danitra.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865