CCC 2824

Ao amin’i Kristy, sy amin’ny alalan’ny sitrapo maha-olombelona Azy, no tanteraka an-tsakany sy an-davany, ary indray mandeha ihany, ny Sitrapon’ ny Ray. Hoy i Jesoa teo am-pidirana teto amin’izao tontolo izao : “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!” (Heb 10,7) . jer. Sal 40,8-9.. I Jesoa irery ihany no afaka milaza hoe : “Manao izay sitrany mandrakariva Aho” (Jo 8,29). Ao amin’ny vavaka nandritra ny fiadiany aina, nanaiky tanteraka izany Sitrapo izany Izy : “Aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao!” (Lk 22,42) . jer. Jo 4,34; 5,30; 6,38.. Izany no nahatonga an’i Jesoa “ho nanolo-tena noho ny fahotantsika araka ny sitrapon’Andriamanitra” (Gal 1,4). “Araka izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny fanolorana ny Vatan’i Jesoa-Kristy” (Heb 10,10).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865