CCC 2825
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
I Jesoa, “na Zanaka tokoa aza, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fijaliana niaretany” (Heb 5,8). Vao mainka isika, zavaboary sy mpanota, nanjary zanaka natsangana ao Aminy. Mangataka amin’ny Raintsika isika hanakambana ny sitrapontsika amin’ny an’ny Zanany mba hanatanterahana ny Sitrapony, ny fandaharam-pamonjeny ho fiainan’izao tontolo izao. Tsy manan-kery tanteraka amin’izany isika, nefa raha miray amin’i Jesoa sy amin’ny herin’ny Fanahiny Masina, dia afaka mametraka Aminy indray ny sitrapontsika isika ary manapa-kevitra ny hisafidy izay nofidin’ny Zanany lalandava : manao izay sitraky ny Ray . jer. Jo 8,29. :
Amin’ny firaiketana amin’i Kristy no afaka hanjary ho fanahy iray ihany Aminy isika, ary amin’izany no hahatontosa ny sitrapony ; amin’ny fomba toy izany no ho tanteraka ny sitrapony ety an-tany tahaka ny any an-danitra . Origène, or.26.. Mba hevero kely ange ny fomba ampianaran’i Jesoa antsika hanetry tena, amin’ny fampahafantarana antsika fa ny hatsaram-panahintsika dia tsy miankina amin’ny asantsika fotsiny, fa miankina amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Mandidy ny mpino tsirairay izay mivavaka Izy eto, ny hanaovana izany ho an’ny daholobe manerana ny tany. Satria Izy tsy milaza hoe : “Ho tanteraka anie ny sitraponao” ato Amiko na ao aminareo, fa “eto an-tany tontolo” : mba ho voailika amin’izany ny fahadisoan-kevitra, mba hanjaka ao ny fahamarinana, mba ho rava ao ny haratsiam-panahy, mba hiroborobo ao ny hatsaram-panahy, ary ny tany mba tsy ho samy hafa intsony amin’ny lanitra . Md Jean Chrysostome, hom. in Mt 19,5..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865