CCC 2827
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
“Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, dia izy io no ankatoavin’Andriamanitra amin’izany” (Jo 9,31) . jer. 1 Jo 5,14.. Toy izany ny herin’ny vavaky ny Fiangonana amin’ny anaran’ny Tompony, indrindra amin’ny Eokaristia ; izany no fiombonam-panalalana miaraka amin’ny Reny Masin’ Andriamanitra Indrindra . jer. Lk 1,38.49. sy ny olomasina rehetra izay “nahazo sitraka” tamin’ny Tompo noho izy ireo tsy nanaiky afa-tsy ny sitrapon’ Andriamanitra :
Mbola azontsika adika toy izao ireo teny ireo, nefa tsy manohintohina ny marina : “Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” amin’ny alalan’ireto : ao amin’ny Fiangonana tahaka ny ao amin’i Jesoa-Kristy Tompontsika ; ao amin’ny Ampakarina izay nofofoiny ho Azy tahaka ny ao amin’ny Mpampakatra izay nanatanteraka ny sitrapon’ny Ray . Md Augustin, serm. dom. 2,6,24..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865