CCC 2829

Ny hoe “omeo anay” dia fiteny ilazana koa ny fanekem-pihavanana : Azy isika ary Izy antsika, ho antsika. Kanefa io “isika” io dia miaiky Azy koa ho Rain’ny olombelona rehetra ary mangataka Aminy ho azy rehetra isika, ho firaisan-kina amin’izay ilain’izy ireo sy amin’ny fijalian’izy ireo.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865