CCC 2830

“Ny haninay.” Ny Ray, izay manome antsika ny aina, dia tsy afaka ny tsy hanome antsika ny hanina ilaina amin’ny fiainana, ny soa rehetra “sahaza”, na ara-batana na ara-panahy. Nantitranterin’i Jesoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny amin’ity fitokian-janaka ity, izay mifarimbona amin’ny Fitahian’ny Raintsika . jer. Mt 6,25-34.. Tsy mampanantena antsika Izy hiandry fotsiny tsy manao na inona na inona . jer. 2 Tes 3,6-13., nefa te-hanafaka antsika amin’ny ahiahy rehetra amin’ny fivelomana sy amin’ny zava-manahirana rehetra. Toy izao ny fitokiana maha-zanaka ny zanak’Andriamanitra : Amin’ireo izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia mampanantena Izy hanome ny zavatra rehetra ho fanampiny. Satria an’Andriamanitra ny zavatra rehetra : amin’izay manana an’Andriamanitra, tsy ory na inona na inona izy, raha toa ka tsy mandao an’Andriamanitra ny tenany . Md Cyprien, Dom. orat. 21..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865