CCC 2831

Nefa ny fisian’ireo izay noana noho ny tsy fahampian-tsakafo, dia manambara lafiny lalina hafa an’io fangatahana io. Ny antambon’ny hanoanana eto amin’izao tontolo izao dia miantso ny kristianina izay mivavaka amin’ny fahamarinana, handray andraikitra azo tsapain-tanana amin’ireo rahalahiny ireo, na amin’ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo manokana na amin’ny fifanampian’izy ireo amin’ny fianakavian’ny olombelona. Ity fangatahana amin’ny Vavaky ny Tompo ity, dia tsy azo sarahina amin’ireo fanoharana mikasika an’i Lazara mahantra . jer. Lk 16,19-31. sy ny Fitsaràna farany . jer. Mt 25,31-46..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865