CCC 2833

Ny amin’ny hoe “haninay”, dia “iray” ho an’ny “maro”. Ny fahantrana araka ny hasambarana dia ny herim-panahy fifampizaràna : miantso izy mba hifampita sy hifampizara ny soa aman-karena ara-batana sy ara-panahy, tsy an-tery anefa fa amim-pitiavana, mba hitsaboana ny tsy fahampian’ny sasany amin’ny amby ampin’ny hafa . jer. 2 Kôr 8,1-15..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865