CCC 2834

“Mivavaha sy miasà” . jer. Md Benoît, reg 20; 48.. “Mivavaha ianao tahaka ny hoe miankina amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary miasà ianao tahaka ny hoe miankina aminao ny zavatra rehetra” . Natao ho an’i Md Ignace de Loyola; jer. Pierre de Ribadeneyra, Tractatus de modo gubernandi Santi Ignatii, 6,14.. Manao ny asantsika isika, fa ny sakafo azo avy amin’izany dia fanomezana avy amin’ny Raintsika ; koa rariny ny hangatahana izany Aminy sy hisaorana Azy noho izany. Izany no dikan’ny vavaka aloha sy aorian’ny sakafo ao amin’ny fianakaviana kristianina.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865