CCC 2835
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ity fangatahana ity sy ny andraikitra takìny, dia mbola mahakasika koa ny hanoanana hafa izay mandreraka ny olombelona : “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Mt 4,4) . jer. Det 8,3., izany hoe ny Teniny sy ny Fofon’Ainy. Ny kristianina dia tokony hamondrona ny herin’izy rehetra mba “hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo”. Misy hanoanana iray eto an-tany, “tsy hanoanana amin’ny hanina na hetaheta amin’ny rano, fa ny handre ny Tenin’Andriamanitra” (Am 8,11). Koa noho izany, ny hevitra kristianina manokana amin’ity fangatahana fahefatra ity dia mikasika ny Mofon’ny Fiainana : ny Tenin’Andriamanitra raisina amin’ny finoana, ny Vatan’i Kristy raisina amin’ny Eokaristia . jer. Jo 6,26-58..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865