CCC 2836
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny hoe “anio” dia fiteny koa maneho fitokiana. Mampianatra antsika an’izany ny Tompo . jer. Mt 6,34; Eks 16,19. ; tsy afaka namorona izany ny fieboebontsika. Satria mikasika indrindra ny Teniny sy ny Tenan’ny Zanany ny foto-dresaka, ka ity hoe “anio” ity dia tsy izay mikasika ny androntsika miserana ihany fa mikasika ny “Anio an’Andriamanitra” : Raha mandray mofo isan’andro ianao, ny isan’andro ho anao dia ny anio. Raha anao i Kristy amin’ny andro anio, dia manangan-ko velona anao isan’andro Izy. Ahoana izany ? “Zanako Ianao, Izao no niteraka Anao Aho androany” (Sal 2,7). Anio, izany hoe : rahefa manangan-ko velona i Kristy . Md Ambroise, sacr 5,26..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865