CCC 2837

“Isan’andro”. Ity teny ity, épiousios, dia tsy ampiasaina afa-tsy eto, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Raha raisina amin’ny hevitra momba ny fotoana izy, dia famerenana ara-pampianarana ny “anio” . jer. Eks 16,19-21. mba hanamafisana amintsika amin’ny fitokiana “manontolo”. Raha raisina amin’ny hevitra momba ny toetran-javatra izy, dia midika ny ilaina amin’ny fiainana, ary amin’ny hevitra malalaka kokoa dia ny zava-tsoa rehetra sahaza ho an’ny fivelomana . jer. 1 Tm 6,8.. Raha raisina ara-bakiteny (épiousios : “mihoatra an’izay ilaina”), dia ilazana mivantana ny Mofon’ny Fiainana, ny Vatan’i Kristy, “fanafodin’ny tsy fahafatesana” . Md Ignace d'Antioche. izay raha tsy misy azy dia tsy manana ny Fiainana ao amintsika isika . jer. Jo 6,54-57.. Farany, raha ampifandraisina amin’ny teo aloha, dia mazava ny dikany araka an’Andriamanitra : “ny isan’Andro” dia ny an’ny Tompo, ny an’ny Fanasam-be any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, atao mialoha ao amin’ny Eokaristia izay efa fisantarana ny Fanjakan’ny lanitra izay ho avy. Koa noho izany, mety ny ankalazana ny litorzian’ny Eokaristia “isan’andro”.

Ny Eokaristia no hanintsika isan’andro. Ny hery manokana amin’ity hanina masina ity dia ny herim-piraisana : mampiray antsika amin’ny Vatan’ny Mpamonjy izy sy mampahatonga antsika ho rantsambatany mba hanjary ho ilay raisintsika isika (…). Ity hanina isan’andro ity koa dia ao amin’ireo vakiteny izay henoinareo isan’andro ao am-Piangonana, ao amin’ny antsa izay hiraina sy izay hirainareo. Ilaina amin’ny fivahiniantsika izany rehetra izany . Md Augustin, serm. 57,7,7.. Amporisihan’ny Ray any an-danitra isika hangataka toy ireo zanaky ny lanitra, ny Mofon’ny lanitra . jer. Jo 6,51.. I Kristy “Tenany mihitsy no Ilay mofo, izay nafafy tao amin’ilay Virjiny, nampitomboina tao amin’ny nofo, nopotsi-potsehina tamin’ny fijaliana, nandrahoina tao amin’ny lafaoran’ny fasana, notahirizina tao amin’ny Fiangonana, nentina eo amin’ny ôtely, omena isan’andro ny mpino ho hanina avy any an-danitra” . Md Pierre Chrysologue, serm. 67,7..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865