CCC 2838

Mampitolagaga io fangatahana io. Raha tsy misy afa-tsy ireo rantsana amin’ny fehezan-teny voalohany izany – “Avelao ny fahotanay” - dia mety ho tafatsofoka, tsy voalaza mivantana, ao amin’ireo fangatahana telo voalohany amin’ny Vavaky ny Tompo, satria natao “ho famelana ny fahotana” ny Soron’i Kristy. Kanefa, araka ireo rantsana amin’ny fehezan-teny faharoa, dia tsy ho ekena ny fangatahantsika raha tsy efa valiana aloha ny zavatra takìna. Mitodika mankamin’ny ho avy ny fangatahantsika, fa ny valiny ataontsika no tsy maintsy mialoha azy ; ny teny mampifandray an’ ireo dia ny hoe : “tahaka”.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865