CCC 2840

Fa ny mampatahotra, io habetsahan’ny famindram-po io dia tsy afaka haninteraka ny fontsika raha toa ka tsy namela ny helok’ireo izay nanao ratsy tamintsika isika. Ny fitiavana, toy ny Vatan’i Kristy, dia tsy azo saratsarahina: Tsy afaka ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitantsika isika, raha tsy tia ny rahalahy, ny anadahy, ny rahavavy, ny anabavy, izay hitantsika . jer. 1 Jo 4,20.. Amin’ny fandavana hamela ny rahalahintsika, ny anadahintsika, ny rahavavintsika ary ny anabavintsika, mihidy ny fontsika, ny hamafiny no mahatonga azy tsy andairan’ny fitiavana be famindram-pon’ny Ray ; amin’ ny fiekena ny fahotantsika, misokatra ho amin’ny fahasoavany ny fontsika.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865