CCC 2842
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Io “tahaka” io dia tsy tokana ao amin’ny fampianaran’i Jesoa : “Aoka ho lavorary ianareo "tahaka" ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra” (Mt 5,48) ; “Aoka ho mpamindra fo ianareo "tahaka" ny Rainareo mpamindra fo” (Lk 6,36) ; “Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo "tahaka" ny itiavako anareo” (Jo 13,34). Ny mitandrina ny didin’ny Tompo dia tsy mety ho vita raha maka tahaka fotsiny ety ivelany ny môdely avy amin’Andriamanitra. Fandraisana anjara tsy azo avela sy avy “amin’ny aty fo lalina”, amin’ny Fahamasinana, amin’ny Famindram-po, amin’ny Fitiavan’ ny Andriamanitsika izany. Ny Fanahy irery, izay “Fiainantsika” (Gal 5,25) no mety hahatonga “ho antsika” koa ny fihetseham-po izay tao amin’i Jesoa-Kristy . jer. Filip 2,1.5.. Amin’izany ny maha-tokana ny famelana dia manjary azo tanterahina “amin’ny fifamelantsika heloka “tahaka” ny namelan’ Andriamanitra antsika tao amin’i Kristy” (Efez 4,32).
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865
Notononina tao amin’ny 1
- ¶2842 Questions(Someone I cannot forgive)