CCC 2843
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Tahaka izany no mampanjary fiainana ny Tenin’ny Tompo momba ny famelan-keloka, ilay fitiavana izay tia hatramin’ny fara fitiavana . jer. Jo 13,1.. Ny fanoharana momba ny mpanompo tsy mifaditrovana, izay mandravaka ny fampianaran’ny Tompo momba ny fiombonan’ny Fiangonana . jer. Mt 18,23-35., dia mifarana amin’ity teny ity hoe : “Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny mpiray tam-po ara-pinoana amin’ny fonareo avy ianareo.” Ao amin’io, araka izany, “ao amin’ny aty fo” no iraiketan’ny zavatra rehetra sy iafarany. Tsy azontsika atao ny tsy hahatsiaro intsony sy hanadino ny fahotana ; fa ny fo izay manaiky ny Fanahy Masina no mamadika ny ratra ho fangorahana sy manadio ny fitadidiana amin’ny fanovàna ny fahotana ho fifonana.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865
Notononina tao amin’ny 1
- ¶2843 Questions(Someone I cannot forgive)