CCC 2844

Tonga hatrany amin’ny famelan-keloka ny fahavalo . jer. Mt 5,43-44. ny fivavahana kristianina. Manova endrika ny mpianatra izany amin’ny fanahafana ny Mpampianany. Ny famelan-keloka no tampon’ny vavaka kristianina ; tsy mety ho voaray ny fanomezam-pahasoavana momba ny fivavahana, raha tsy manana fo mangoraka tahaka ny fon’Andriamanitra. Ny famelan-keloka koa no mampiseho, fa eo amin’ny tontolontsika, ny fitiavana no mahery kokoa noho ny fahotana. Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa amin’izany ny martiry na ny fahiny na ny ankehitriny. Ny famelan-keloka no fepetra fototry ny Fampihavanana . jer. 2 Kôr 5,18-21. ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo, ary ny olombelona amin’ny samy olombelona . jer. Joany Paoly II, DM 14..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865

Notononina tao amin’ny 1