CCC 2845
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Tsy misy fetra na fatra izany famelan-keloka araka ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy izany . jer. Mt 18,21-22; Lk 17,3-4.. Raha momba ny fahotana (“heloka” araka an’i Lk 11,4 na “trosa” araka an’i Mt 6,12), dia izany tokoa satria mpitrosa lalandava isika : “Aoka tsy hananan’olona trosa ianareo, afa-tsy ny momba ny fifankatiavana” (Rôm 13,8). Ny fiombonan’ny Trinite Masina no loharano sy marim-pitsaràn’ny fahamarinan’ny fifandraisana rehetra . jer. 1 Jo 3,19-24.. Ao amin’ny fivavahana, indrindra ao amin’ny Eokaristia, no iainana izany . jer. Mt 5,23-24. :
Tsy eken’Andriamanitra ny soron’ny mpamporisika ho amin’ny fisaraham-bazana, averiny avy eny amin’ny ôtely izy ireo mba hihavana amin’ny rahalahiny aloha : Andriamanitra dia te-hampihavana amin’ny vavaka atao amin’ny fifanarahan-tsaina. Ny didy tsara indrindra ho an’Andriamanitra dia ny fiadanantsika, ny fihavanantsika, ny firaisan’ny vahoaka mpino rehetra ao amin’ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina . Md Cyprien, Dom. orat. 23..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865
Notononina tao amin’ny 1
- ¶2845 Questions(Someone I cannot forgive)