CCC 2846
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ity fangatahana ity dia mahatratra ny fototry ny fangatahana teo aloha, satria ny fahotantsika no vokatry ny fanekena ny fakam-panahy. Mangataka amin’ny Raintsika isika, mba tsy “hanaiky izany”. Ny mandika ho amin’ny teny tokana ny fiteny grika dia sarotra : ny dikany dia hoe “aza mamela hiditra ao” . jer. Mt 26,41., “aza mamela anay ho resin’ny fakam-panahy”. “Andriamanitra tsy mba mety halaim-panahy hanao ratsy, sady tsy maka fanahy olona Izy” (Jak 1,13), ny tiany kosa dia ny hanafaka antsika amin’izany. Mangataka Aminy isika mba tsy hamelany antsika handeha amin’ny lalana izay mitondra amin’ny fahotana. Tafarotsaka ao amin’ny ady “ifanaovan’ny nofo sy ny Fanahy” isika. Ity fangatahana ity no mitalaho ny Fanahin’ny fandanjalanjana sy ny faherezana.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865
Notononina tao amin’ny 1
- ¶2846 Questions(Temptation)