CCC 2847
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika handanjalanja eo amin’ny fitsapan-toetra, ilaina ho amin’ny fitombon’ny olona anaty . jer. Lk 8,13-15; Asa 14,22; 2 Tim 3,12. ho amin’ny “hatsaram-panahy voazaha toetra” (Rôm 5,3-5), sy eo amin’ny fakam-panahy, izay mitondra amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana . jer. Jak 1,14-15.. Tsy maintsy mandanjalanja koa isika eo amin’ny hoe “alaim-panahy” sy ny hoe “manaiky” ny fakam-panahy. Farany, ny fandanjalanjana no manala sarona ny laingan’ny fakam-panahy : araka ny hita, ny antony dia “tsara, maha te hijery sy mendrika hoirìna” (Jen 3,6), nefa raha ny tena izy, ny vokany dia fahafatesana. Tsy te hanery hanao ny tsara Andriamanitra, fa olona afaka no sitrany (...). Mety ilaina ny fakam-panahy, amin’ny zavatra sasany. Tsy mahalala izay noraisin’ny fanahintsika tamin’Andriamanitra ny rehetra, na dia ny tenantsika aza, afa-tsy Andriamanitra. Kanefa ny fakam-panahy no mampiseho ny tsara, mba hampianatra antsika hahalala tena, ary avy amin’izany, mba hampiharihary amintsika ny fahoriantsika, ary mba hanery antsika hisaotra noho ny tsara izay nasehon’ny fakam-panahy tamintsika . Origène, or.29..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865
Notononina tao amin’ny 1
- ¶2847 Questions(Temptation)