CCC 2848

“Ny tsy miditra ao anatin’ny fakam-panahy” dia mitarika ny fanapahan-kevitry ny fo : “Fa izay itoeran’ny harenao no hitoeran’ny fonao (...). Tsy misy afaka manompo tompo roa” (Mt 6,21.24). “Satria ny Fanahy no fiainantsika, dia aoka ny Fanahy no hampiasa antsika koa” (Gal 5,25). Amin’io “fanekena” ny Fanahy Masina io ny Ray no manome ny hery ho antsika. “Tsy misy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany. Mahatoky Andriamanitra ; tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo Izy. Isaky ny fakam-panahy, dia hanome anareo ny fomba ivoahana amin’izany sy ny hery izakana izany Izy” (1 Kôr 10,13).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865

Notononina tao amin’ny 1