CCC 2849

Ary ny ady tahaka izany sy ny fandresena tahaka izany dia tsy mety ho vita raha tsy amin’ny vavaka. Tamin’ny alalan’ny fivavahany no nahatonga an’i Jesoa ho Mpandresy ny Mpaka fanahy, hatrany am-boalohany . jer. Mt 4,1-11. ka hatramin’ny ady faran’ny fiadiany aina . jer. Mt 26,36-44.. Tamin’ny ady nataony sy tamin’ny fiadiany aina no nampiraisan’i Kristy antsika amin’ity fangatahana ity tamin’ny Raintsika. Ny fiambenan’ny fo dia voatsiahy tamim-pomba hentitra . jer. Mk 13,9.23.33-37; 14,38; Lk 12,35-40. hiombona amin’ny Azy. Ny fiambenana no “aron’ny fo” ary i Jesoa no mangataka amin’ny Ray mba hiaro antsika amin’ny Anarany . jer. Jo 17,11.. Ny Fanahy Masina dia mikatsaka ny hanetsika antsika tsy an-kijanona amin’izany fiambenana izany . jer. 1 Kôr 16,13; Kôl 4,2; 1 Tes 5,6; 1 Pi 5,8.. Io fangatahana io dia mandray ny dikany manontolo mampitaintaina raha oharina amin’ny fakam-panahy faran’ny adintsika eto an-tany ; mitaky fitozoana hatramin’ny farany izany. “Indro avy toy ny mpangalatra Aho : sambatra izay miambina!” (Apôk 16,15).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865

Notononina tao amin’ny 1