CCC 285
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Hatrany am-panombohany, ny finoana kristianina dia nampifanatrehana tamin’ny valin-teny tsy mitovy amin’ny azy mikasika ny fanontaniana momba ny fiandohana. Araka izany, hita ao amin’ireny antokom-pivavahana mbamin’ny kolontsaina fahiny ireny, ny angano maro be momba ny fiandohana. Ny filôzôfy sasany, dia milaza fa ny zavatra rehetra no Andriamanitra, izao tontolo izao no Andriamanitra na ny fivoaran’izao tontolo izao no fivoaran’Andriamanitra (panthéisme) ; ny hafa milaza fa izao tontolo izao dia fipoiram-pisiana ilain’Andriamanitra, amin’ny fikorianana avy amin’io loharano io sy amin’ny fiverenana ao aminy ihany; ny hafa indray manamafy ny foto-pisian’ny fiandohana mandrakizay anankiroa, ny Tsara sy ny Ratsy, ny Hazavana sy ny Maizina, mifanohitra tsy tapaka (dualisme, manichéisme); araka ny sasantsasany amin’ireo foto-pisainana ireo, izao tontolo izao (fara fahakeliny ny tontolon’ny manam-batana), dia ratsy, vokatry ny fitotongana, ka noho izany hailika na hihoarana (gnose) ; ny hafa manaiky fa izao tontolo izao dia nataon’Andriamanitra, fa araka ny fomban’ny mpamboatra famantaranandro, izay nony vita dia nilaozany teo fotsiny (déisme) ; farany, ny hafa tsy manaiky mihitsy na dia kely aza ny maha-mihoatra ny tsapa sy ny hita ny fiandohan’izao tontolo izao, nefa izy ireo dia mahita ao amin’izany ny tena fiasa mazava ny tenan-javatra iray izay efa nisy lalandava (matérialisme). Ireo andranandram-pisainana ireo, dia mampiseho fa ny fanontaniana momba ny fiandohana dia mipetraka lalandava ary manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra. Izany fikatsaham-pahalalana izany dia an’ny olombelona manokana.
Vakio ny toko manontolo 1. Izaho mino an’Andriamanitra Ray ¶198–421
Notononina tao amin’ny 1
- ¶285 Questions(Creation and science)