CCC 2850
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Entina koa amin’ny vavak’i Jesoa ny fangatahana farany amin’ny Rainay: “Tsy ny hanesoranao azy ireo amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy ireo amin’ilay Ratsy” (Jo 17,15). Mahakasika antsika izany, ny isam-batan’olona, kanefa dia “isika” hatrany no mivavaka, ho amin’ny fiombonan’ny Fiangonana manontolo sy ho amin’ny fanafahana ny fianakavian’ny olombelona manontolo. Tsy mitsahatra manokatra ho antsika amin’ny fivelaran’ny fitantanam-pamonjena ny Vavaky ny Tompo. Ka amin’izay, ny fifampiankinantsika amin’ny antambon’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia hivadika ho firaisan-kina ao amin’ny Vatan’i Kristy, ho “fiombonan’ny olomasina” . jer. RP 16..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865