CCC 2852

“Mpamono olona hatramin’ny voalohany, mpandainga sy rain’ny lainga” (Jo 8,44), “i Satàna, ilay mpanangoly an’izao tontolo izao” (Apôk 12,9), fa tamin’ny alalany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao ary amin’ny fahareseny tanteraka no “ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana” . MR, vavaka fisaorana IV. ny voary manontolo. “Fantatsika fa na iza na iza naterak’Andriamanitra dia tsy manota, fa miaro tena izy Naterak’ Andriamanitra, ka tsy mahazo azy ilay Ratsy. Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka daholo ao amin’ ilay Ratsy” (1 Jo 5,18-19) :

Ny Tompo izay nanala ny fahotanareo sy namela ny hadisoanareo dia afaka miaro anareo sy miambina anareo koa amin’ny hafetsen’ny Devoly izay miady aminareo, mba tsy hanampoka anareo ny fahavalo, izay manam-pahazarana mamorona fahadisoana. Izay matoky an’ Andriamanitra, tsy matahotra ny Demony. “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?” (Rôm 8,31) . Md Ambroise, sacr. 5,30..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865