CCC 2853

Ny fandresena ny “mpanapaka an’izao tontolo izao” (Jo 14,30) dia azo, indray mandeha ihany, tamin’ny Ora izay nanoloran’i Jesoa tena tamin-kalalahana ho faty mba hanomezany antsika ny Ainy. Ny fitsaràna an’izao tontolo izao sy ny mpanapaka an’izao tontolo izao no narodana . jer. Jo 12,31; Apôk 12,10.. “Nanenjika ilay Vehivavy izy” . jer. Apôk 12,13-16., nefa tsy nahazo sy tsy nahatana azy : i Eva vaovao, “feno fahasoavan’ ” ny Fanahy Masina, dia voaro tamin’ny fahotana sy ny fahalovan’ny fahafatesana (Fahatorontoronina tsy azon-keloka sy Fampakarana any an-danitra an’ilay Reny masin’Andriamanitra, i Maria, virjiny mandrakizay). “Tamin’izay, nisafoaka noho ny fahasorenana tamin-dRavehivavy izy, ka lasa niady tamin’ny zanany sisa” (Apôk 12,17). Izany indrindra no ivavahan’ny Fanahy sy ny Fiangonana hoe : “Avia, ry Jesoa Tompo!” (Apôk 22,17.20) satria ny Fahatongavany no hanafaka antsika amin’ilay Ratsy.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865