CCC 2854

Rahefa mangataka mba hafahana amin’ilay Ratsy isika, dia mitalaho koa mba hafahana amin’ny faharatsiana amam-pahoriana rehetra, ankehitriny, lasa ary hoavy, izay ataon’ilay Ratsy na amporisihany. Amin’ity fangatahana farany ity no itondran’ny Fiangonana eo anatrehan’ny Ray ny fahoriana rehetra mianjady amin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny fanafahana amin’ ny ratsy izay mitambesatra amin’ny olombelona no italahoan’ny Fiangonana ny fanomezan-tsarobidin’ny fiadanana sy ny fahasoavana amin’ny fiandrasana maharitra ny fiverenan’i Kristy. Amin’ny fivavahana toy izany, no anaovan’ny Fiangonana mialoha ao anatin’ny fanetren-tena amim-pinoana ny famondronana ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra ao amin’ Ilay izay “mihazona ny fanalahidin’ny Fahafatesana sy ny Afobe” (Apôk 1,18), “Ilay Tompon’ny zavatra rehetra, Ilay ankehitriny sy taloha ary hoavy” (Apôk 1,8) . jer. Apôk 1,4. :

Eny, manafaha anay amin’ny ratsy rehetra, ry Tompo, ary mba fenoy ny fiadananao ny andro iainanay : enga anie homban’ny indrafonao izahay, ka sady ho afaka mandrakariva amin’ny fahotana no hilamina tsy ho azon-tebiteby na toy inona na toy inona, eto am-piandrasana ny hasambarana nampanantenainao sy ny fiavian’i Jesoa-Kristy Mpamonjy anay . MR, Embolisme..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865