CCC 2855

Ny tenim-boninahitra farany hoe : “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra”, dia mamerina, amin’ny fampidirana, ny fangatahana telo voalohany amin’ny Rainay : ny fanomezam-boninahitra ny Anarany, ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny herin’ny Sitrapony mahavonjy. Kanefa izany famerenana izany amin’izay dia miseho amin’ny endrika fitsaohana sy fisaorana, toy ny amin’ny litorzian’ny lanitra . jer Apôk 1,6; 4,11; 5,13.. Ny mpanapaka an’izao tontolo izao, dia nihambo tamin’ny fomba mamitaka ho tompon’ireo anaram-boninahitra telo ireo, dia ny fanjakana, ny hery ary ny voninahitra . jer. Lk 4,5-6. ; i Kristy, Tompo, dia mamerina an’ireo amin’ny Rainy sy Raintsika, mandra-panomeny Azy ny Fanjakana rahefa tomombona tsy an-kifody ny misterim-pamonjena ary ho zavatra rehetra ao amin’izy rehetra Andriamanitra . jer. 1 Kôr 15,24-28..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865