Amin’ny fohiny CCC 2858

Amin’ny fangatahana hoe : “Hohamasinina anie ny Anaranao”, dia miditra ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra isika, amin’ny fankamasinana ny Anarany – nambara tamin’i Môizy, avy eo tao amin’i Jesoa – amin’ny alalantsika sy ao amintsika, ary koa eo amin’ny firenena rehetra sy ao amin’ny olona tsirairay.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865