Amin’ny fohiny CCC 2861
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny fangatahana fahefatra, amin’ny filazana hoe “Omeo anay”, no anehoantsika, amin’ny fiombonana amin’ny mpiray tam-po amintsika amin’ny finoana, ny fitokian-janaka amin’ny Raintsika any an-danitra. Ny hoe “haninay” dia milaza ny sakafo eto an-tany ilaina amin’ny fivelomantsika olombelona rehetra sy manambara koa ny Mofon’ny Fiainana: ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy. Raisina amin’ny “Anio” an’Andriamanitra izany, ho sakafo tena ilaina, (manana amby ampy) ilaina amin’ny Fanasam-ben’ny Fanjakan’ny lanitra, izay efa atao mialoha amin’ny Eokaristia.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865