Amin’ny fohiny CCC 2863
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny filazana hoe “Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay”, dia mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy hamelany antsika hizotra amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fahotana. Io fangatahana io no mitalaho ny Fanahin’ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy mbamin’ny faherezana ; io no miambezo ny fahasoavana hananana fiambenana sy fitozoana hatramin’ny farany.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865