Amin’ny fohiny CCC 2864

Amin’ny fangatahana farany hoe : “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”, ny kristianina dia mivavaka amin’Andriamanitra miaraka amin’ny Fiangonana, mba hampiharihary ny fandresena, efa azon’i Kristy, an’ilay “Mpanapaka izao tontolo izao”, i Satana, ilay anjely mitsangan-kanohitra an’Andriamanitra sy ny fandaharam-pamonjeny.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865