CCC 3
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ireo izay nandray ny antson’i Kristy noho ny fanampian’Andriamanitra, sy namaly izany tamin-kalalahana, dia noteren’ny fitiavan’i Kristy koa avy eo, hitory ny Evanjely hatraiza hatraiza manerana ny tany. Voatahirin’ny dimbin’ izy ireo araka ny tena izy, izany raki-tsoa voaray avy amin’ireo apôstôly izany. Ny mpino rehetra an’i Kristy no antsoina hampita izany amin’ny taranaka mifandimby, amin’ny fanambaràna ny finoana, amin’ny fivelomana izany ao anatin’ny fifampizaràna maha-mpiray tam-po ara-pinoana ary amin’ ny fankalazana izany amin’ny litorzia sy ny fivavahana jer. Asa 2,42..
Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25
Notononina tao amin’ny 1
- ¶3 Pastores Dabo Vobis(§36)