CCC 404
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Nahoana ny fahotan’i Adama no nanjary fahotan’ny taranany rehetra ? Ny taranak’olombelona rehetra ao amin’i Adama dia “toy ny vatana tokan’ny olon-tokana” Md Thomas d’A., mal. 4, 1.. Avy amin’izany maha-“tokana ny taranak’olombelona” izany, no nahatonga ny fahotan’i Adama hahavoa ny olombelona rehetra, dia toraka izany koa no mahatonga ny fahamarinan’i Kristy ho azy rehetra. Saingy, mistery tsy ho takatry ny saintsika tanteraka, ny fifindran’ny fahotana tamin’ ny fototra. Fantatsika tamin’ny alalan’ny Fanambaràna kosa anefa, fa ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana azon’i Adama, dia tsy hoe ho azy irery ihany, fa ho an’ny olombelona rehetra ; noho izany, na dia fahotan’ny tenany manokana aza no nataon’i Adama sy Eva tamin’ny naneken’izy ireo ny mpaka fanahy, dia ny taranak’olombelona rehetra no voan’io fahotana io, izay nafindran’izy ireo tamin’ny toetra maty hasina jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Fahotana izay hifindra amin’ny fielezana amin’ny olombelona rehetra amin’ny maha-olombelona azy manontolo, izany hoe amin’ny famindrana ny fomba aman-toetra maha-olona tsy manana intsony ilay toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana. Koa, izany indrindra no iantsoana ny fahotana tamin’ny fototra hoe “fahotana” avy amin’ny fomba mifanahaka : fahotana “nifindra” fa tsy “natao”, toetra fa tsy asa.
Vakio ny toko manontolo 1. Izaho mino an’Andriamanitra Ray ¶198–421
Notononina tao amin’ny 1
- ¶404 Compendium de la doctrine sociale de l'Église(115)